AMBOARA - Mandehana [Lyrics Video]

Опубликовано: 11 Июль 2026
на канале: IVENCO
4,921
42

"MANDEHANA" par AMBOARA, Août 2020.
Production: IVENCO
Auteur - Compositeur : Rindra Ramili.
Soundcloud :   / amboara-mandehana  

Lyrics : "MANDEHANA"
Lasa ilay fitia
Nofinofy hatrizay
Ilay tsikinao niova toeran-kafa indray
Ilay toky noentinao
Hirahira fahiny
Nivadika tomany ilay fo tsy manan-tsiny

Tantiko foana raha izay no teninao
Marary ny saina ka tsy hita izay atao

Mandehana raha izay no tianao
Fa ny aty tsy mitana izay tsy tia
Ny ao am-po tsy hahay ny hangina
Fa na levona aza vao maika mitsiry

Mbola manantena hasambarana vao
Nefa izaho aty manembona anao

Mandehana raha izay no tianao
Fa ny aty tsy mitana izay tsy tia
Ny ao am-po tsy hahay ny hangina
Fa na levona aza vao maika mitsiry

Izany angamba no lahatra sy anjara
Ka aoka hipetraka, hiraikitra ho tantara
Ny ao am-po tsy hahay ny hangina
Fa na levona aza vao maika mitsiry