9 Mey: Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanalahy !🦎
Ho fankalazana izany dia andao hiaraka hamantatra ny tanalahy kely indrindra maneran-tany : ny Brookesia nana.
Nanomboka ny 28 janoary 2021 izy no lasa tanalahy kely indrindra maneran-tany ary angamba izy no biby mandady kely indrindra manerana izao tontolo izao.
Mirefy 28,9 milimetatra ho an’ny vavy, ary 22,5 milimetatra manomboka amin'ny loha ka hatrany am-pototry ny rambony ho an’ny lahy.
Tany amin'ny faritra avaratr’i Madagasikara, ao amin'ny tangorom-bohitran’i Sorata (massif Sorata) no nahitana azy.
Indro zaraina aminao ny horonantsary iarahana amin’ny Dokotera Fanomezana Mihaja Ratsoavina, iray amin’ireo mpahay siansa nahita ity bibidia ity. Aza misalasala mizara izany, ho fantatr’izao tontolo izao fa manana biby tsy manam-paharoa isika.
#chameleonday
#showyourcolors #internationalchameleonday