Mivoaka androany ny tatitra “Rapport planète vivante” 2024. Mazava ny tarehimarika : nihena 73 % ny salanisan’ny karazam-biby nanomboka tamin’ny taona 1970. Miharatsy hatrany isan-taona ny atontan’isa satria 69% izany tamin’ny taona 2022.
Mitombo hatrany ny fahasimbana, izay loza manambana ho antsika anefa izany : ny fivelomantsika , ny fonenantsika , ny loharan-tsakafo sy ny rano fisotrontsika.
Ny antontan’isa dia manambara fa miha ringana ny rohivoary, tao anatin’ny 4taona monja dia nihena 4 isan-jato be izao ny zavamananaina eto amin’ity planetantsika ity. Izany hoe raha afaka 100 taona izany dia ho ringana 100% izy ireo ary ho potika ny planetantsika. Fotoana izao!! 🚨 Ilaina ny fiaraha-mientan’ny tsirairay satria miankina amin’izany ny fiainantsika.
#ActNow to #SaveOurPlanet #LPR2024 #LivingPlanetReport #madagascar #madagascarwildlife